Créer un site internet

Article 147

Titre V. De l'organisation territoriale de l'État

Les ressources d'une collectivité territoriale décentralisée comprennent notamment :
- le produit des impôts et taxes votés par son Conseil et perçus directement au profit du budget de la collectivité territoriale décentralisée ; la loi détermine la nature et le taux maximum de ces impôts et taxes en tenant dûment compte des charges assumées par les collectivités territoriales décentralisées et de la charge fiscale globale imposée à la Nation ;
- la part qui lui revient de droit sur le produit des impôts et taxes perçus au profit du budget de l'État ; cette part, qui est prélevée automatiquement au moment de la perception, est déterminée par la loi suivant un pourcentage qui tient compte des charges assumées globalement et individuellement par les collectivités territoriales décentralisées, et assurer un développement économique et social équilibré entre toutes les collectivités territoriales décentralisées sur l'ensemble du territoire national ;
- le produit des subventions affectées ou non affectées consenties par le budget de l'État à l'ensemble ou à chacune des collectivités territoriales décentralisées pour tenir compte de leur situation particulière, ou pour compenser, pour ces collectivités territoriales décentralisées, les charges entraînées par des programmes ou projets décidés par l'État mis en œuvre par les collectivités territoriales décentralisées ;
- le produit des aides extérieures non-remboursables et le produit des dons à la collectivité territoriale décentralisée ;
- les revenus de leur patrimoine ;
- les emprunts dont les conditions de souscription sont fixées par la loi.

Ny fidiram-bolan’ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana dia ahitana indrindra :
- Ny vola azo avy amin’ ny hetra sy haba nolanian’ny Filankevitra ary takiana mivantana harotsaka amin’ny tetibolan’ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram- pahefana ; lalàna no mamaritra ny karazana sy ny sanda ambony indrindra amin’ireny hetra sy haba ireny izay hijerena indrindra ny andraikitra iantsorohan’ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sy ny loloha ara-ketra ankapobe mitambesatra amin’ny Firenena ;
- Ny anjara tokony ho azy avy hatrany amin’ny vola azo amin’ny hetra sy ny haba miditra ao amin’ny tetibolan’ny Fanjakana ; izany anjara izany izay sintonina avy hatrany amin’ny fotoana famoriana ny vola dia faritan’ny lalàna araka ny isan-jato izay ijerena ny andraikitra sahanin’ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana amin’ny ankapobeny sy isam-batan’olona mba hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy mifandanja eo amin’ireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana rehetra manerana ny tanim-pirenena ;
- ny vola vokatry ny fanampiana avy amin'ny Fanjakana, voatokana na tsia ho amin'ny asa, ary nomena avy amin'ny teti-bolam-panjakana ho an'ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana rehetra na ny iray amin'izy ireo ka atao mifandanja amin'ny toe-javatra manokana misy eo aminy, na hamenoan’ireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ny adidiny ara-bola izay nateraky ny fandaharan’asa na tetik’asa notapahan'ny Fanjakana ary tanterahan'ireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ;
- ny vola azo avy amin'ny fanampiana avy any ivelany ka tsy averina sy ny vola azo avy amin'ny fanomezana nomena ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ;
- ny vola miditra avy amin'ny fananany manokana ;
- ny fisamboram-bola izay ferana araka ny lalàna ny fepetra momba izany.

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Anti-spam
 
×