Article 92

Titre III. De l'organisation de l'État

Le Parlement examine le projet de loi de finances au cours de sa seconde session ordinaire.

Sous l'autorité du Premier ministre, chef du Gouvernement, les ministres chargés des finances et du budget préparent le projet de loi de finances.

Le Parlement dispose d'un délai maximum de soixante jours pour l'examiner.

L'Assemblée nationale dispose d'un délai maximum de trente jours à compter du dépôt du projet pour l'examiner en première lecture. Faute de s'être prononcée dans ce délai, elle est censée l'avoir adopté et le projet est transmis au Sénat.

Dans les mêmes conditions, celui-ci dispose pour la première lecture d'un délai de quinze jours à compter de la transmission du projet, et chaque assemblée dispose d'un délai de cinq jours pour chacune des lectures suivantes.

Faute par une assemblée de s'être prononcée dans le délai imparti, elle est censée avoir émis un vote favorable sur le texte dont elle a été saisie.

Si le Parlement n'a pas adopté le projet de loi de finances avant la clôture de la seconde session, les dispositions du projet peuvent être mises en vigueur par voie d'ordonnance en y incluant un ou plusieurs des amendements adoptés par les deux assemblées.

Tout amendement au projet du budget entraînant un accroissement des dépenses ou une diminution des ressources publiques doit être accompagné d'une proposition d'augmentation de recette ou d'économie équivalente. Si le projet de loi de finances d'un exercice n'a pas été déposé en temps utile pour être adopté avant le début de cet exercice, le Premier ministre est autorisé à percevoir les impôts et ouvre par décret les crédits se rapportant aux services votés. Les conditions d'adoption du projet de loi de finances sont prévues par une loi organique.

Mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa no andinihan’ny Antenimiera ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
Ny Minisitra miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola no manomana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ka eo ambany fahefan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta no anaovany izany.
Manana fe-potoana enimpolo andro farafahabetsany ny Antenimiera handinihana izany.
Manana fe-potoana telopolo andro farahahabetsany manomboka eo amin’ny fotoana nanolorana ny volavolan-dalàna taminy ny Antenimierampirenena mba handinihana azy am-boalohany. Rehefa tsy naneho ny heviny tao anatin’izay fe-potoana izay izy, dia heverina ho toy ny efa nandany azy sahady ka dia atolotra ny Antenimierandoholona indray ilay volavolan-dalàna.
Mitovy amin’izay fepetra izay ihany, dia manana fe-potoana dimy ambin’ny folo andro manomboka ny fampitana ny volavolan-dalàna ny Antenimierandoholona mba handinihany azy am-boalohany ary ny Antenimera tsirairay dia manana fe-potoana dimy andro hanaovany ny fandinihana azy manaraka.
Raha misy iray amin’ireo Antenimiera tsy maneho ny heviny tao anatin’ny fe-potoana voatondro, dia heverina ho toy ny efa nanao latsabato nanekena ilay rijan-teny natolotra ho dinihana izy.
Raha tsy nolanian’ny Antenimiera alohan’ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana faharoa ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola, dia ampidirina ao ny fanitsiana iray na maromaro neken’ny Antenimiera roa tonta.
Izay fanitsiana rehetra natao tamin’ilay volavolan-dalàna momba ny tetibola ka miteraka fitomboan’ny fandaniana na fihenan’ny loharanom-bolam-panjakana dia tsy maintsy ampiarahina amin’ny tolo-kevitra momba ny fampitomboana ny vola miditra na ny toekarena mifandanja amin’izany.
Raha tsy napetraka ara-potoana mba holaniana alohan’ny fiantombohan’ny taom-piasana ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny taom-piasana iray, dia omena alàlana ny Praiminisitra ahazoany manao ny famoriana ny hetra ary manokatra amin’ny alàlan'ny didim-panjakana ny sorabola mifandraika amin’ireo asa nolaniana tamin’ny latsabato.
Lalàna fehizoro no mamaritra ny fomba fankatoavana ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bolam-panjakana.

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Anti-spam