Les fonctions de Premier ministre sont incompatibles avec toute fonction publique élective, toute autre activité professionnelle, toute activité au sein d'un parti politique, d'un groupement politique, ou d'une association, et de l'exercice de responsabilité au sein d'une institution religieuse.
Toute violation des dispositions du présent article, constatée par la Haute Cour constitutionnelle, constitue un motif d'empêchement définitif du Premier ministre.
Ny asan’ny praiminisitra dia tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin’ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana.
Izay rehetra fandikana ireo fepetra voalazan’ity andininy ity, voamarin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia zary ho antony amin’ny tsy fahafahana miasa tanteraka ho an’ny Praiminisitra.