Les Présidents des Assemblées parlementaires, le Premier ministre, les autres membres du Gouvernement et le Président de la Haute Cour constitutionnelle sont justiciables des juridictions de droit commun pour les infractions commises hors de l'exercice de leurs fonctions.
L'initiative des poursuites émane du Procureur Général auprès de la Cour de Cassation.
Dans ce cas, lorsqu'il y a délit, la juridiction correctionnelle compétente est présidée par le président du tribunal ou par un vice-président s'il en est empêché.
Les dispositions des trois alinéas précédents sont également applicables aux députés, aux sénateurs et aux membres de la Haute Cour constitutionnelle.
Ny Filohan’Antenimiera, ny Praiminisitra, ny mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta ary ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia azon’ny antoko-pitsarana momba ny lalàna ifampitondran’ny daholobe tsaraina raha mandika lalàna tamin’ny fotoana tsy anatanterahany andraiki-panjakana.
Ny Tonian’ny Fampanoavan’ny Fitsarana Fandravana no manao ny fanenjehana
Amin’izany raha misy ny heloka tsotra, ny antokom-pitsarana famaizana mahefa dia tarihin’ny Filohan’ny Fitsarana, ary raha misy ny tsy fahafahany dia filoha lefitra iray no mitarika izany.
Ampiharina koa amin’ireo solombavambahoaka, loholona ary ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fepetra voalazan’ireo andàlana telo etsy aloha ireo.