La Haute Cour de justice est composée de onze membres dont :
1° le Premier Président de la Cour suprême, Président, suppléé de plein droit, en cas d'empêchement, par le Président de la Cour de Cassation ;
2° deux présidents de Chambre de la Cour de la Cassation, et deux suppléants, désignés par l'Assemblée générale de ladite Cour ;
3° deux premiers présidents de Cour d'appel, et deux suppléants, désignés par le Premier Président de la Cour suprême ;
4° deux députés titulaires et deux députés suppléants élus en début de législature par l'Assemblée nationale ;
5° deux sénateurs titulaires et deux sénateurs suppléants, élus en début de législature par le Sénat.
6° deux membres titulaires et deux membres suppléants issus du Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l'État de droit.
Le ministère public est représenté par le Procureur Général de la Cour suprême assisté d'un ou plusieurs membres de son parquet général. En cas d'empêchement du Procureur Général, il est suppléé par le Procureur Général de la Cour de Cassation.
Le greffier en chef de la Cour suprême est de droit greffier de la Haute Cour de justice. Il y tient la plume. En cas d'empêchement, il est remplacé par le greffier en chef de la Cour de Cassation.
L'organisation et la procédure à suivre devant la Haute Cour de justice sont fixées par une loi organique.
Misy mpikambana iraika ambinifolo ao amin’ny Fitsarana Avo. Ireto avy izy ireo :
1. ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony, Filoha izay soloin’ny Filohan’ny Fitsarana Fandravana avy hatrany raha misy tsy fahafahany ;
2. Filohan’ny Rantsana roa avy ao amin’ny Fitsarana Fandravana sy mpisolo toerana roa tendren’ny Fivoriam-ben’io Fitsarana io ;3. Filoha Voalohany roa avy amin’ny Fitsarana Ambony sy mpisolo toerana roa tendren’ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony ;4. Solombavambahoaka tompon-toerana roa sy solombavambahoaka mpisolo toerana roa nofidin’ny Antenimierampirenena amin’ny fiantombohan’ny fe-potoana fanaovan-dalàna ;
5. Loholona tompon-toerana roa sy loholona mpisolo toerana roa nofidin’ny Antenimierandoholona amin’ny fiantombohan’ny fe-potoana fanaovan-dalàna.
6. Mpikambana roa tompon-toerana sy mpikambana roa mpisolo toerana avy amin’ny Filankevitra Ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna.
Ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin’ny Fitsarana Tampony ampian’ny iray na maromaro amin’ireo mpikambana ao amin’ny fampanoavana iadidiany no misolo tena ny fampanoavana. Raha misy tsy fahafahan’ny Tonia Voalohany Mpampanoa dia ny Tonia Mpampanoa ao amin’ny Fitsarana Fandravana no misolo toerana azy.
Ny lehiben’ny Firaketan-draharahan’ny Fitsarana Tampony no mpiraki-draharahan’ny Fitsarana Avo. Izy no mitazona ny firaketana an-tsoratra. Raha misy tsy fahafahany dia ny lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Fandravana no misolo azy.
Ny fandaminana sy ny paika arahina manoloana ny Fitsarana Avo dia feran’ny lalàna fehizoro.