Le Gouvernement, en engageant sa responsabilité dans les conditions prévues à l'article 100 ci-dessous, peut exiger de chacune des Assemblées de se prononcer par un seul vote sur tout ou partie des dispositions des textes en discussion :
- lors des sessions extraordinaires, à condition que ces textes aient été déposés dans les quarante-huit heures de l'ouverture de la session ;
- dans les huit derniers jours de chacune des sessions ordinaires.
Ny Governemanta, raha manamby ny andraikitra araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-100 etsy ambany, dia afaka mitaky amin’ny Antenimiera tsirairay mba hanapa-kevitra avy amin’ny alàlan’ny latsabato tokana mikasika ny fepetra manontolo na ampahany voalazan’ny rijan-teny iadian-kevitra :
- mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana, raha toa ka voatolotra valo amby efapolo ora mialoha ny fisokafan’ny fivoriana ireo rijan-teny ireo ;
- ao anatin’ny valo andro farany amin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana tsirairay avy.