Dans leurs activités juridictionnelles, les magistrats du siège, les juges et assesseurs sont indépendants et ne sont soumis qu'à la Constitution et à la loi. À ce titre, hors des cas prévus par la loi et sous réserve du pouvoir disciplinaire, ils ne peuvent, en aucune manière, être inquiétés dans l'exercice de leurs fonctions.
Eo amin’ny asam-pitsarana sahaniny dia mahaleotena ny Mpitsara mpamoaka didy, ny mpitsara sy mpitsara mpanampy ka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna ihany no mifehy azy ireo.
Amin'izany, ankoatra ny toe-javatra voalazan’ny lalàna ary na dia eo aza ny fahefana ara-pitsipi-pifehezana, dia tsy azo tohintohinina na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona izy ireo amin’ny asam-pitsarana ataony ho fisahanana ny andraikiny.