Créer un site internet

Article 117

Titre III. De l'organisation de l'État

Avant leur promulgation, les lois organiques, les lois et les ordonnances sont soumises obligatoirement par l'Empereur à la Haute Cour constitutionnelle qui statue sur leur conformité à la Constitution.

Une disposition jugée inconstitutionnelle ne peut être promulguée. Dans ce cas, l'Empereur peut décider, soit de promulguer les autres dispositions de la loi ou de l'ordonnance, soit de soumettre l'ensemble du texte à une nouvelle délibération du Parlement ou du Conseil des ministres selon le cas, soit de ne pas procéder à la promulgation.

Dans les cas prévus ci-dessus, la saisine de la Haute Cour constitutionnelle suspend le délai de promulgation des lois.

Le règlement intérieur de chaque Assemblée est soumis au contrôle de constitutionnalité avant sa mise en application. Une disposition jugée inconstitutionnelle ne peut être appliquée.

Ny Amperora dia mandroso ny lalàna fehizoro sy ny lalàna ary ny hitsivolana hodinihin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay manapaka raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana, alohan’ny amoahana azy ireo hanan-kery.          
Ny fepetra nambara fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana dia tsy azo avoaka hanan-kery. Raha izany no miseho, ny Amperora dia afaka manapaka, na hamoaka hanan-kery ireo fepetra hafa amin’ilay lalàna na ilay hitsivolana, na mandroso ny rijan-teny manontolo amin’ny fanapahana ataon’ny Antenimiera na ny Filankevitry ny Minisitra indray, araka ny trangan-javatra, na koa tsy hamoaka azy hanan-kery.          
Amin’ireo trangan-javatra voalaza etsy ambony ireo, ny fampakaran-draharaha eo amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia mampihantona ny fe-potoana tokony hamoahana ny lalàna hanan-kery. Ny fitsipika anatin’ny Antenimiera tsirairay dia aroso hamarinina raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana alohan’ny hampiharana azy. Ny fepetra nambara fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana dia tsy azo ampiharina.          
 

  • Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Anti-spam