Créer un site internet

Article 84

Titre III. De l'organisation de l'État

Le Sénat se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours.
La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre.
Il peut être également réuni en session spéciale sur convocation du Gouvernement. Son ordre du jour est alors limitativement fixé par le décret de convocation pris en Conseil des ministres.
Lorsque l'Assemblée nationale ne siège pas, le Sénat ne peut discuter que des questions dont le Gouvernement l'a saisi pour avis, à l'exclusion de tout projet législatif.

Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierandoholona. Enimpolo andro no faharetan’ny fotoam-pivoriana.          
Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.          
Afaka manao fotoam-pivoriana manokana ihany koa izy araka ny fiantsoana ataon’ny Governemanta. Ny lahadinika amin’izany dia ferana amin'ny alàlan'ny didim-panjakana fiantsoana izay noraisana teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra.          
Rehefa tsy mivory ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona dia tsy afaka mandinika afa-tsy ny raharaha nangatahin’ny Governemanta ny heviny, tsy misy volavolan-dalàna azo dinihina.          
 

  • Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Anti-spam