Article 20

Article 20

La famille, élément naturel et fondamental de la société, est protégée par l'État. Tout individu a le droit de fonder une famille et de transmettre en héritage ses biens personne.

Un couple marié légalement est formé par deux personnes de sexes opposés, c'est-à-dire un homme et une femme naturels.

Arovan’ny Fanjakàna ny ankohonana izay singa voajanahary sy andrin’ny fiaraha-monina. Manana zo hanorina fianakaviana ary hamela ireo fananany manokana holovain'ny taranany ny olona tsirairay avy.
Ny mpivady ekena ara-dalàna dia ny olona tsy mitovy fananahana, izany hoe lahy sy vavy voajanahary.

FANAZAVANA AVY AMIN'NY MPANORATRA

Rehefa avy mamaky an'ity andininy ity sy io rohy io ianao dia mazava tsara fa tsy azo ekena eto Madagasikara ny « mariage pour tous ».
Io fitondran-tena sadasada io no anisan'ny naharava an'i Sodoma sy i Gaomoro, izay tsy aiza fa ao amabnin'i Vakinankaratra ao rehefa avy noravan'ny vôlkano.
Vokatry ny fikarohana nataon'ny tenanay, niainga avy amin'ny kabbale sy ny baiboly io.
Jereo koa ny Isaia III andininy ? fa anisan'ny mahatonga olana eto amin'ny firenena ny fanomezan-danja an'io « homosexualité » io.
Mitovy zo ny lahy sy ny vavy, ampy izay, fa tsy mety raha homena zo mihoatra noho ny hafa ny « homosexuel ».
Lamaody any amin'ireo firenena mandroso ny fanekena an'io, fa tsy ho antsika.
Hitaky zo ho azy manokana avokoa ve ny mpihoam-pefy, dia ahoana ny zon'ireo olona hafa miaina araky ny lalàn'ny « Univers » sy ny fitsipi-piaraha-monina ?
I Madagsikara no foibe ara-panahin'izao tontolo izao, koa raha misy loza manjo an'i Madagasikara dia hanjo firenena maro hafa koa.
Tandremo sao hanafaingana ny fiavian'ireo loza voalazan'ny bokin'ny Apokalipsy.
Ny fampiharana haingana an'ity volavolan-dalàmpanorenana ity nefa no isan'ny hampihemotra na hanafoana an'ireo loza ireo mihitsy.

Afaka mitsidika an'ity rohy ity ianao raha hijery ny « article » rehetra mitohy. Efa vita e-book amin'ny teny malagasy sy frantsay, ary amidy eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vontoatin'ity tranonkala ity, nanomboka ny 19 may 2022.
« La Constitution Démocratique Messianique, Digne De Madagascar » no lohateny nampitondraina azy ny Édition Universitaire Européenne no mivarotra azy io, amin'ny vidiny 60,90 euros.
Azonao angatahina amiko ny boky PDF na ny rohin'ny e-book hafa momba azy, nampitondraina ny lohateny hoe : « Ilay  lalàmpanorenana demokratika mesianika, mendrika ho an'i Madagasikara ».
MP epub na MP pdf

 

 

  • Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Anti-spam