Créer un site internet

TETIKASA FIZARANA AN'IZAO VOLAVOLAN-DALAM-PANORENANA IZAO

ILAINA AMPAHAFANTARINA NY LALAMPANORENANA DEMOKRATIKA MESIANIKA

Tanguy 1, l'Oint de Dieu, créateur de cette constitution fantôme.ITY LALAMPANORENANA MATOATOA ITY SY NY HEVI-BAHOAKA

Manandratra ny demokrasia ity lalam-panorenana tiana atolotra ny firenena Malagasy ity.
Ny hevi-bahoaka no tiana halaina.
Ny vahoaka ihany koa no horesen-dahatra.
Tsy maintsy fanta-bahoaka izy aloha, izay vao afaka manome ny heviny ny olom-pirenena tsirairay.

Tsy maintsy zaraina amin'ny herivelona misy eto Madagasikara sy ny mpiara-miasa amin'ny firenena malagasy ihany koa ity lalampanorenana Masina sady lahika, no mifototra amin'ny kolontsaina malagasy ity.

INONA NO FITAOVAN-TSERASERA TOKONY AMPIASAINA ANAPARIAHANA AN’ITY LALAMPANORENANA MESIANIKA ITY ?

Mahakasika olona maro ny radio sy ny televiziona ary ny gazety.
Ilaina ny mahazo sehatra ao amin’ireny orinasan-tserasera ireny ahafahana manazava an’izao asa fampanjakana kokoa ny demokrasia izao.
Tsy azo ialana koa nefa ny tambazotra sosialy toy ny facebook, azo anaovana booste, ary ahafahan’ny olom-pirenena manome ny heviny eo no ho eo ihany koa.

NY SAKANA TSY AHAFAHANA MANATANTERAKA AN’IZANY SERASERA AHAFAHANA  MIZARA SY MIARA-MIHEVITRA NY HO LALAMPANORENANA MALAGASY IZANY

Mila ho enti-manana izany, ara-bola sy ara-pitaovana.
Tsy ny tenako no manana an’ireo ho enti-manana ireo.
Mila fandaniam-potoana bebe kokoa ihany koa ny fitantanana ny sersera rehetra amin’izany.
Ny tena nefa tsy maintsy mitady tahaka ny olona hafa rehetra.
Ny omby indray mandry, tsy indray mifoha. Izany hoe ny tenako irery aloha no nanao ny asa rehetra tamin’ny fandrafetana an’ity volavolan-dalampanorenana ity, arak’izay voasoratra hoe : “Ary ny  Nosy (I Madagasikara) hiandry ny lalàny” Isaia 42 : 6
Tsy mbola fantatro aloha hatreto izay olona tsara sitrapo hanampy amin’zany asa izany.
Sakana fanaminy izany  satria takian’ny fepetra ahafahan’ny rafitra iray mamatsy vola tetik’asa ny fanananao rafitra ara-dalàna afaka mifanara-maso.
Aiza ilay hoe: “Izay mahatoky amin’ny kely, mahatoky amin’ny be”
Tsy nisy famatsiam-bola sy fanaraha-maso na fanerena, nefa vita izao lalàmpanorenana matoatoa izao.

VAHAOLANA HAHAZOANA FAMATSIAM-BOLA HAHAFAHANA MANDRESY LAHATRA NY OLOM-PIRENENA SY NY RAFITRA ISAN-KARAZANY

Mila manao “exception” kely ireo rafitra mpamatsy vola, fa vavolombelon’ny mpiasa ny bainga.
Jereo ny asa vita dia ahafahanao matoky ny tenanay ny amin’ny tetik’asa mbola hatao.

Ny fijerin’Andriamanitra tsy mba fijerin’ny zanak’olombelona, aleo ampitoviana amin’ny fijerin’Andriamanitra ny fijerintsika, fa izy no nampanoratra an’ity volavolan-dalampanorenana ity, arak’izay voasoratra ao amin’ny Salamo 2 : 7.

  • Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Anti-spam