Article 5

Titre premier. Des principes fondamentaux

La démocratie conserve des  pouvoirs au peuple, qui l'exerce par  ses représentants élus au suffrage universel direct ou indirect, ou par la voie du référendum. Aucune fraction du peuple, ni aucun individu ne peut s'attribuer l'exercice de la souveraineté.

L'organisation et la gestion de toutes les opérations électorales relèvent de la compétence d'une structure nationale indépendante.

La loi organise les modalités de fonctionnement de ladite structure.

Sont électeurs dans les conditions déterminées par la loi tous les nationaux des deux sexes jouissant de l'exercice de leurs droits civils et politiques. La qualité d'électeur ne se perd que par une décision de justice devenue définitive.

Ny vahoaka izay ipoiran'ny fahefana rehetra no masi-mandidy ka mampiasa izany amin'ny alàlan'ny solontenany lany amin'ny alàlan'ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Tsy misy mihitsy ampahany amin'ny vahoaka, na olon-tokana mahazo manendry tena hampiasa izany fahefana feno izany.          
Ny fandaminana sy ny fitantanana ny raharaha rehetra momba ny fifidianana dia ankinina amin'ny rafitra mahaleotena iray eto amin’ny Firenena.          
Ny lalàna no mandamina ny fombafomba fampandehanana io rafitra io.          
Mpifidy avokoa, araka ny fepetra faritan'ny lalàna, ny olom-pirenena lahy sy vavy rehetra mizaka ny zon'ny isam-batan'olona sy ny zo politika. Didim-pitsarana raikitra no hany mahavery ny zo maha-mpifidy.

TENIN'NY MPANORATRA MANOKANA 

Anisan'ny voadika matetika ity andininy iray amperin'asa amin'ny lalàmpanorenana ity.
Voahitsakitsaka ny sata repoblikana.
Tsy asana filoha sy ny governemanta eo ambany fifehezany ohatra, ny mamorona  olona hantsoina hoe "printsesy" sy ny karazany, aiza ho ao anaty lalàmpanorenana no manome alalana an'izany ?
Fanjakana repoblikana izao ary tsy nifidy olona antsoina hoe printsesy izany izahay, aiza ny HCC ?

Ity moa efa voasoratra ao amin'ny Salamo 2,  -  4 : « Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
    2    Ireo mpitondran'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:3    Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.4    Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5    Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:


Voadika ihany koa ny lalàna mifehy an'ity tontolo ity

  • Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Anti-spam