Créer un site internet

Article 10

Titre II. Des libertés, des droits et des devoirs des citoyens

Les libertés d'opinion et d'expression, de communication, de presse, d'association, de réunion, de circulation, de conscience et de religion sont garanties à tous et ne peuvent être limitées que par le respect des libertés et droits d'autrui et par l'impératif de sauvegarde de l'ordre public, de la dignité nationale et de la sécurité de l'État.

Ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana eo amin’ny fifandraisana, ny fahalalahana manao gazety, ny fahalalahana hiditra aminà fikambanana na hanorina fikambanana, ny fahalalahana hivory malalaka, ny fahalalahana mivezivezy, ny fahalalahana amin’ny fieritreretana sy amin’ny finoana dia samy iantohana ho an’ny rehetra ary tsy azo ferana raha tsy hoe ho fanajana ny fahalalahana sy ny zon’ny hafa sy noho ny fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehan’ny firenena ary ny filaminan’ny Fanjakàna. 

Hanohana aniizao asa fampiroboroboana ny demokrasia izao ve ? : Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609

Ilaina aparitaka ity volavolan-dalampanorenana ity.

Afaka manohana an'izao asa izao ianao : http://cyrius.unblog.fr/?p=3334

      
 

  • Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Commentaires

  • appolon1

    1 appolon1 Le 06/04/2016

    Manome alalana ny fanehoan-kevitra ankalalahana ity andininy ity andininy ity.
    Voasembatsembana hatrany nefa izany zo ananan'ny olom-pirenena izany tato ho ato, raha tsy @ alalan'ny herim-pamoretana, dia sembantsembanin'ireo mpanao politika mitarika ihany.
    Hazavaiko ny hevitro :
    Rehefa tsy misy herisetra manakana ny fanehoan-kevitra na fidinana an-dalam-be, hita fa tsy voasakana ny hetsika, dia tsy ilay notakiana teny am-piandohana intsony no takiana fa zavatra hafa tsy ao anatin'ny fitakiana mihitsy.
    Raha fanokafana haino aman-jery nakatona na famerenana fandaharana noraran'ny fanjakana no tanjona eny am-boalohany, lasa fitakiana fitondrana,hitantsika izany nanomboka t@ 2009, ary hadino hatreo izay rehetra naharary nahatonga ny fitokonana na fidinana an-dalambe (hany fanehoan-kevitra ahafahan'ny besinimaro mandray anjara).
    Hany ka toa ilaina hatrany ny mitokona, nefa tsy mamparisika koa fa lasa manao sorona ny aina ho an'ny mpamoritra vaovao hafa indray.

Ajouter un commentaire

Anti-spam