Créer un site internet

Article 18

Momba ny fitsarana ho miaramila

Le service national légal est un devoir d'honneur. Son accomplissement ne porte pas atteinte à la position de travail du citoyen ni à l'exercice des droits politiques du citoyen.

Participer  ou non au test d'aptitude au service militaire est un choix
Ne pas le faire n'est pas un crime, donc aucune peine n'est applicable.
Toutes les formes de contraintes, direct ou indirect, lié auparavant à la présente article ne sont plus applicables.

Cela n'empêche pas la convocation et la candidature volontaire pour le service militaire.

Andininy 18.

Voninahitra sy adidy ny fanompoam-pirenena voadidin'ny lalàna.         
Ny fanatontosana izany dia tsy manembantsembana ny toerana misy ny olom-pirenena eo amin'ny asany na ny fampiasana ny zo politika.
Safidy ny fandraisana anjarana amin'ny fitsarana ho miaramila na tsia.

Safidy ny fandraisana anjarana amin'ny fitsarana ho miaramila na tsia.
Tsy heloka ny tsy fanatontosana an'izany ka tsy mahavoasazy.
Mitsahatra avokoa ireo teritery mifandraika amin'ny fitakiana taratasy mikasika an'izany, afa tsy amin'ny asa maha miaramila.
Asa toy ny asa rehetra ny asa miaramila, fanompoam-pirenena avokoa ny asa rehetra, ka tsy misy avahana anaovana faneriterena.

Mitsahatra avokoa ireo teritery mifandraika amin'izany.
Tsy manakana ny filatsahana an-tsitrapo ho amin'ny asa miaramila izany. 

 
  • Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Commentaires

  • Appolon1

    1 Appolon1 Le 30/12/2021

    Ny tena tiana amabara eto dia ny tsy fanisiana teritery amin'ny fitsarana ho miaramila.
    Aleo handeha amin'ny safidy, indrindra amin'izao vanim-potoana iparitahan'ny areti-mifindra izao.
    Anisan'ny manangona olona be loatra ny fitsarana ho miaramila nefa ny efa ny efa nanao raharaha miaramila aza betsaka no tsy voaray hanao ny asa miaramila akory, atao inona ireo olona marobe angonina sy laniana fotoana isan-taona ?
    Rariny ve ny fitakiana taratasy position militaire amin'ny asa tsy misy idiran'ny asa miaramila sy ny fanasaziana an'izay tsynanatanteraka an'izany ? Tsia.
    Aoka ho ny olo-meloka ihany no enjehina, ireny aza misy manao heloka ampahibemaso, fantar'izao tontolo izao, tsy mahataitra ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana akory.
    Asa toy ny asa hafa ny raharaha miaramila, ka nahoana no izy irery no avahana anaovana teritery ?
    Mety amin'ny fitondrana sosialista fahiny angamba izany, fa tsy aminiizao fotoana izao.
    Fanompoam-pirenena avokoa ny asa rehetra ka tokony ampitoviana.
    Ny ao amin'ny miaramila aza efa karamaina mbola misy manao heloka ihany, izany ve ny asa ambony indrindra eto amin'ny firenena ? Tsia
    Izao asa ataon'ny tenanay izao koa fanompoam-pirenena ary tsy nandraisanay karama, asa masina izao.

Ajouter un commentaire

Anti-spam
 
×